Pejy faneva

LOJIQ

Ny hetsiky ny tanora hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro dia  natao ho an’ny tanora avy ao Québec sy ireo firenena miteny frantsay tena marefo amin’ny fiovan’ny toetr’andro izay kendren’ny hetsika, 18 hatramin’ny 35 taona. Manolotra tohana ara-kevitra sy fanampiana ara-bola ny LOJIQ  ho fanatanterahana ny tetikasa mifandray amin’ny fanamby ara-toetr’andro izay mitarika fihetsehana  ao Québec  na maneran-tany.

Ireo firenena kendren’ny hetsika voalohany indrindra dia ireo firenena miteny frantsay ao Afrika atsimon’i Sahara, Afrika avaratra ary ny any Antilles.

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny valan’aretina COVID-19 izay mitohy, manome tolotra mifanaraka amin’izany ny LOJIQ, nanomboka tamin’ny 3 mai 2021, mba hahafahana mametraka vonjimaika ny tetikasa virtoaly, ampitain-davitra na  tanterahina eo an-toerana. Ny fametrahana ny tetikasa dia azo atao ho an’ny singa sy karazana tetikasa vitsivitsy ihany.

Tsindrio ity rohy ity raha hametraka ny tetikasanao ianao  https://www.lojiq.org/programmes/initiative-jeunesse-de-lutte-contre-les-changements-climatiques/

wpChatIcon