Pejy faneva

Le Stage en Entrepreneuriat /Fizarana asa momba ny fandraharahana volana Septambra :ny 20 hatramin’ny 24 Septambra 2021 ho an’ Antananarivo

Tompoko, mitodika amin’ireo mpitondra tetikasa te hanao fanazarana momba ny teknika sy ny fomba famoronana hevitra. Hisy matihanina  amin’ny fanofanana avy amin’ny  Centre d’Excellence En ENTREpreneuriat hanoro hevitra anareo

✍️– Ho fanehoana ny tetikasanao ,  afaka alainao ato amin’ity rohy manaraka ity ny rakitra “Pitch deck-eco.pptx” : https://trello.com/…/stage-en-entrepreneuriat-pitch-deck

Fenoy ara-dalana izy io ary ampidiro tsara amin’ny endrika PPT.
Tandremo, mandritry ny herinandro fiofanana dia tokony hanatrika ny fotoana rehetra ny mpikambana manontolo.
✍️– Hiroso amin’ny fifantenana ny antontan-taratasy izahay, aorian’izany dia handefa aminareo ny valiny.
✍️– Rehefa voatazona ny fandraisanao anjara,  hisy fitsapana hataonao avy amin’ny CEENTRE ka homena amin’ny alalan’ny mailaka ny rohy hidirana amin’izany
✍️–  Rehefa afaka ianao na voafantina, dia ho ampidirina amin’ny fikambanana manokana atao hoe : “Stage en entrepreneuriat”. Ho hitanao ao ny antontan-taratasy/ fitaovam-piofanana  ho vakiana mba hahavonona anao amin’ny fanazarana mandritra ny fiofanana.
✍️– Aloavy ny fandraisana anjara  30 000 ar/olona ho fanamafisana ny fandraisanao anjara amin’ny fiofanana
Tetiandron’ny fifantenana  :
– manomboka ny  13 hatramin’ny 16 septambra amin’ny 12 ora atoandro : fandraisana sy fifantenana ny antontan-taratasy🔥
– Ny 17 aogositra : fandoavana ny vola aloa ho fanekena ho an’ireo voafantina.
– Ny 16 hatramin’ny20 septambra : fampidirana ireo voafantina ao amin’ny fikambanana mba hahazoany ny fitaovam-piofanana .🔥
Herinandro fiofanana :
– Fiofanana ny  20 hatramin’ny 24 septambra 2021 amin’ny 8ora hatramin’ny  5 ora.
– Ny sakafo atoandro mandritry ny herinandro fiofanana dia raisin’ny fandaharan’asa Fandraharahana an-tanana .
–  Taratasy fanamarinana omen’ny Sampan-draharahan’ny  Fifandrimbonana sy asa ara-kolotsaina eo anivon’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara .
Ny fepetra handraisana anjara :
👌– Mandraisa anjara anaty ekipan’olona 2 na 3
⚡– Mandraisa anjara amin’ny fifantenana amin’ny famenoana ny taratasy eto ambany. Vakio tsara ary valio ny fanontaniana hanaovana fifantenana  : https://airtable.com/shrJkFaYV2Tx4mLGg
Raha mitady fanazavana fanampiny , tsidiho ny pejy  Facebook : Programme entrepreneuriat – Ambassade de France – SCAC
wpChatIcon