Pejy faneva

LE PRIX DE L’ENTREPRENEUR AFRICAIN 2021/ NY LOKA HO AN’NY MPANDRAHARAHA AFRIKANINA 2021

Natomboky ny Africangels tamin’ny 2011, naverina tamin’ity taona ity indray ny Loka ho an’ny mpandraharaha afrikanina miaraka amin’ny fanamby vaovao.Mitondra ny lohahevitra fanavaozana amin’ny fandraharahana, hanome fankasitrahana ireo mpandraharaha mitondra  vokatra eto Afrika ity hetsika ity.

Ny fanavaozana ny vokatra, ivon’ity andiany vaovao ity 

Ity loka ity dia fotoana hampisehoana ireo mpandraharaha izay misongadina, ary  mampientana ireo taranaka vao misondrotra ny  diany.

Ity andiany vaovao ity dia natao hampiroboroboana ireo fahombiazana  izay mitondra  rivo-baovao ary hamaly ireo fanamby mifandray amin’ny fanavaozana eto Afrika  sady koa  hanentanana ireo mpitarika rahatrizay.

Mihoatra noho ny hetsika, ny Loka ho an’ny Mpandraharaha Afrikanina dia tafiditra ao amin’ny  Africa Entrepreneurs Summit ,amn’ity taona ity ,  hetsika iray mifangaro izy io ka ao anatin’izany ny Africangels dia mihevitra hanangana sehatra fifanakalozana miaraka amin’ireo mpandraharaha mba hanamorana ny fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha afrikanina sy maneran-tany, tandroka aron’ny vozona  amin’ny ho avy ho an’ireo hetsika mavitrika vaovaon’ny mpandraharaha .  Orinasa maro no mikambana ao , isan’izany ny  Deloitte, Agorize, Coris Bank, Miro, Orange, Brut, Société Générale.

 

Sokajy 5 nomena fankasitrahana 

Amin’ity taona ity, sokajy 5 lehibe no hotoloran’ny mpitsara mari-pankasitrahana, mpitsara ivondronan’ny matihanina:

– Ny Lokan’ny Mpandraharaha Afrikanina tao anatin’ny taona

– Ny Loka  African’Elles natokana ho an’ny vehivavy sahy mitondra fanavaozana

– Ny Loka ho an’ny  Startup afrikanina ao anatin’ny taona natolotra ho an’ny mpamorona tanora iray izay manana tanjaka be.

– Ny Loka  Next Impact  dia hankasitrahana ireo mpitantana noho ny vokatra entiny  amin’ny toe-karena sy ny vahaolana vaovao entiny amin’ny olana ara-tsosialy.

 

Le Prix de l’Entrepreneur Africain offre aux lauréats la possibilité de changer d’échelle en bénéficiant d’une mission de conseil, d’un accès aux réseaux internationaux d’Africangels, et d’une large visibilité médiatique en Afrique. Les lauréats innovants recevront une dotation d’une valeur allant jusqu’à 40.000€ (lots, exposition médiatique,…) et une exposition au près des plus gros investisseurs.

 

Fepetra fifantenana

Araka ny sokajy, ny loka ho an’ny mpandraharaha afrikanina dia mankasitraka ireo mpandraharaha teratany afrikanina na manana fo mitempo ho an’i Afrika manaraka ny kalitao fototra:

– ny singa fototry ny zava-bitan’ny orinasa  ;

– ny fahombiazany ;

– ny fomba fanao mahazatra azy.

 

Hojerena, araka ny sokajy, ireto mason-tsivana manaraka ireto  :

– fitarihana amin’ny alalan’ny  fahavononana

– fahafahana mametraka foto-kevitra momba ny orinasa

–  fiantraikany ara-tsosialy

– fanavaozana  (fananganana, dingana, famoronana, fampiroboroboana ny fomba fiasa)

Fisoratana anarana

Raha handray anjara, afaka mametraka ny antontan-taratasiny hatramin’ny 23 oktobra 2021 ny mpandraharaha ao amin’ny tranokala  https://go.prixdelentrepreneur.com 

Raha mila fanazavana fanampiny, tsidiho ny tranokala : https://go.prixdelentrepreneur.com/fr/challenges/prixdelentrepreneurafricain 

 

wpChatIcon