Pejy faneva

La Foire Économique et Commerciale des 23 régions/ Tsenabe ara-toe-karena sy ara-barotry ny faritra 23

Ny Tsenabe ara-toe-karena sy ara-barotry ny faritra 23 dia  hetsika ara-tsosialy sy ara-toe-karena lehibe indrindra eto Madagasikara izay hatao ny 25 hatramin’ny 28 novambra 2021. Ny tanjona kendrena amin’izany dia ny hanorina fifandraisana  amin’ireo mpandraharaha ara-toekarena  manerana ny faritra 23 mba hahitana lalam-barotra vaovao. Ho an’ny faritra Analamanga, ao amin’ny Stade Barea Mahamasina no handraisana io Tsenabe io.

Ireto avy ny  tanjona fototra ara-toe-karena sy ara-barotra :
✅ hanorina fifandraisana amin’ireo mpandraharaha ara-toe-karena manerana ny faritra 23 mba hahafahan’izy ireo hanao raharaham-barotra
✅  hahitana lalam-barotra vaovao avy amin’ny tolotra sy ny tinady atolotr’ireo mpandraharaha avy amin’ny faritra 23;
✅ hanamafy ny laza, ny endrika ary indrindra ny tambazotran’ny orinasa eo amin’ny sehatra nasionaly
wpChatIcon