Pejy faneva

Groupe de la Banque africaine de développement : zaikabe faharoa momba ny fahafahana mandraharaha– andiany 2021

Ny fikambanan’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana, miaraka amin’ny departemantan’ny fanetsehana ny loharanom-bola sy ny fiaraha-miombon’antoka ao aminy, dia mikarakara ny zaikabe an-tserasera faharoa mikasika ny fahafahana mandraharaha ho an’ny taona 2021.

Hizara roa andro ny fivoriana , ny 12 sy 13 oktobra ho avy izao, mba hahafahana mandray ny hasin’ora amin’ireo mpandray anjara isan-tokony.

Miantefa amin’ireo mpanoro hevitra sy  orinasa mpanoro hevitra, mpandraharaha sivily, indostrialy, mpamatsy entana sy  ireo mpiandraikitra ara-barotry ny masoivohon’ny firenena mpikambana ao amin’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana.

Hahafahan’ny mpandray anjara hahatsinjo ny politika sy ny asa ataon’ny Fikambanan’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana , ny fitsipika sy ny dingana arahina amin’ny fomba fividianana entana sy ireo asa ankehitriny sy ho avy eo anivon’ireo firenena afrikanina izy ity.  Tombanana ihany koa ny hisian’ny fihaonana amin’ny orinasa samy orinasa (« B2B ») miaraka amin’ireo departemanta fototra ao amin’ny Fikambanan’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana.

Misorata anarana amin’ity rohy manaraka ity  : https://afdb.zoom.us/meeting/register/tJclcu2uqD0iH9RSdw7ycXRZWDDfKtaGknK6 

 

wpChatIcon