Pejy faneva

GLOBAL WATER PARTNERSHIP/FIARAHA-MIOMBON’ANTOKA MANERAN-TANY AMIN’NY SEHATRY NY RANO MANERAN-TANY

Fetra farany :
Alakamisy, 19 aogositra, 2021

Fiantsoana ho an’ireo Matihanina tanora sy Mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny rano, angovo ary sakafo (WEF) mba hiditra amin’ny fiofanana  fanombohana momba ny fandraharahana  izay mampifandray sady mahaliana ; ity fiofanana ity dia ho an’ireo tanora rehetra afaka miditra hofantenana eo anivon’ny firenena mpikambana ao amin’ny SADC . Ity fiofanana an-tserasera ity dia atolotry ny  GWP Southern Africa Water Academy for Youth (SAF WAY), SADC sy SAYWIN (Southern Africa Youth WEF Nexus Innovation Network) ho anao . Atao amin’ny fiteny Anglisy ny fiofanana ary maimaimpoana ho an’ireo mpandray anjara nahomby rehetra.

FEPETRA FIFANTENANA :

  • Mpianatra voasoratra anarana eo anivon’ny foibem-pampianarana ambony, na nahazo fanambaram-pahaizana momba ny sampam-pianarana  rano, angovo ary  sakafo
  • Tanora matihanina sy tanora mpitarika mavitrika amin’ny sehatry ny Rano, Angovo na sakafo
  • Mpiantra mpandraharaha tsy manana traikefa sy/na tsy manana asa voasoratra ara-dalàna amin’ny sehatry ny Rano, Angovo na Sakafo
  • Mpandraharaha  efa manana traikefa sy manana orinasa mitsangana amin’ny sehatry ny Rano, Angovo na Sakafo
  •  18 hatramin’ny 35 taona amin’ny fetra faran’ny fisoratana anarana  (19 Aogositra 2021)
  • Olom-pirenena voasoratra ara-dalàna ao amin’ny firenena mpikambana amin’ny SADC
  • Hahazo tombony ireo mpikambana amin’ny SAYWIN (Southern Africa Youth WEF Nexus Innovation Network)
  • Ny mpandray anjara dia tokony hankafy ny   firotsahana an-tsitrapo mba hamindra ny fahaiza-manao azo ho an’ny tanoran’ny fireneny
  • Tokony ho tia mandray anjara amin’ireo fandrafetana asa ho an’ny tanora/fandraisana andraikitra fantatra fa  misy eo amin’ny fireneny ny mpandray anjara.
  • Ny mpandray anjara dia  tokony ho afaka handray anjara amin’ireo fandraisana andraikitra aoriana izay anisan’ny  ambaratonga sy /na fampiroboroboana  ity fandraharan’asa ity

Andinindininy manaraka https://safway.entreprenerdy.com

wpChatIcon