Pejy faneva

FORUM DE L’EAU A VAKINANKARATRA / OPPORTUNITES D’INVESTISSEMENT/ZAIKABE MOMBA NY RANO AO VAKINAKARATRA /VARAVARANA MISOKATRA HO AN’NY FANDRAHARAHANA

FORUM SUR LE MARCHE DE L’EAU, DE L’ASSAINISSEMENT ET DE L’HYGIÈNE /ZAIKABE MOMBA NY TSENAN’NY RANO SY NY FANADIOVANA

Inona no  antony handraharahana ao amin’ny sehatry ny  WASH ary ahoana no anaovana izany?

Ho ampahafantarina anao avokoa izany mandritra ny zaikabe manomboka ny 03 hatramin’ny 06 Novambra ao amin’ny AROTEL Antsirabe .

Mikaroka mpandraharaha/mpampiasa vola  manaiky hiditra amin’ny Fitantanana- Fampiasam-bola- Fitrandrahana ny tolotra momba ny Rano sy ny Fanadiovana any amin’ny kaominina ambanivohitra izahay .

Eo ambany fiahian’Andriamatoa Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana , miaraka amin’ny USAID, manasa anao izahay hanatrika ny zaikabe momba ny rano syny fanadiovana .

Hamafiso amin’ity mailaka ity  ny andro hahafahanao manatrika izany: mirana.rajoeliharison@care.org

na antsoy ny 034 47 300 44 / 034 47 306 10

Rural Access to New Opportunities for Water, Sanitation, and Hygiene (RANO WASH) dia tetikasa mandritra ny 5 taona  vatsian’ny USAID vola, ary mikendry  ny  hanatsarana ny  tolotra momba ny Rano sy ny Fanadiovana eny amin’ny faritra ambanivohitr’i Madagasikara. RANO WASH dia natsangan’ny vondrona tarihin’ny CARE  ka ao anatin’izany  Catholic Relief Services, WaterAid, BushProof ary Sandandrano , ny asa atao dia tombanana hatramin’ny  2022. Hanatsara ny fahasalaman’ny mponina ao amin’ny kaominina 250 any amin’ny faritra  Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Atsinanana,  Matsiatra Ambony, Vakinankaratra ary Vatovavy Fitovinany izy io.
wpChatIcon