Ao anatin’ny sehatry ny tetikafa Fampiofanana sy Fampianarana Ambony ho an’ny fiovana amin’ny lafiny angovo amin’ireo faritra anivon-drano eo anivon’ny ranomasimbe Indiana (FESTII), ny AUF Océan Indien sy ny Oniversiten’ny La Réunion, dia mikarakara fampahafantarana an-tambazotra serasera manodidina ny fiovana amin’ny lafiny angovo any amin’ny nosy atsimo -andrefan’ny Ranomasimbe Indiana
Io fampahafantarana io dia atao ny 15 septambra 2021 amin’ny 2 ora GMT (5 ora eto Madagasikara/6ora any Maorisy).
👉Misorata anarana : https://bit.ly/3tk6TQ3
Mpanentana io fampahafantarana io :
Rindrasoa Miangaly RASAMOELINA dia manam-pahaizana ambony amin’ny angovo sy tontolo iainana eo anivon’ny laboratoara PIMENT ao amin’ny Oniversiten’i La Réunion, tantanina miaraka amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Dinesh Surroop dia profesora sady mpikambana ara-barotra ao amin’ny departemanta « Chemical and Environmental Engineerin » ao amin’ny Oniversiten’i Maorisy. Amin’izao fotoana izao, mitarika ny fivoriambe iraisam-pirenena ICEECC (International Conference on Energy, Environment and Climate Change)izy. Izy koa dia mpikambana ao amin’ny EMP-A (Energy Modelling Platform for Africa).
J.P Praene dia mpampianatra ao amin’ny laboratoara PIMENT ao amin’ny Oniversiten’ny la Réunion. Mampianatra momba ny angovo sy ny tontolo iainana eo anivon’ny Departemanta Siansa momba ny Taotrano sy ny Tontolo iainana izy. Amin’izao fotoana izao dia Talen’ny UFR SHE. Ny fikarohana nataony dia mikasika ny fiovana amin’ny angovo amin’ny sehatry ny toerana naorina, ny tany ary ny rafitra famokarana. Manomana tombana izy mba hanorenana sarisary mahakasika ireo toerana madinika anivon-drano .