Pejy faneva

Fandaharana manampy ireo mpisehatra eo amin’ny fandrarahana

Ny Fandaharana manampy ireo mpisehatra eo amin’ny fandrarahana dia miompana amin’ny fampifandraisana ireo mpandraharaha efa za-draharaha, antsoina hoe mpanabe, miaraka amin’ireo tanora misahana orinasa ary koa manana fahaiza-manao miavaka, antsoina hoe beazina. Tafiditra ao anatin’izany fifandraisana izany: fifampizarana sy fampitana traikefa, fiofanana ary fifaneraserana. Mitady ireo mpandraharaha maniry hisitraka izany ireo mpanabe anay. Ity fandaharana ity dia mitady ihany koa ireo olona izay nahomby teo amin’ny toe-karenantsika ka te hisokatra hanoro hevitra ny orinasa kely sy salantsalany. Anjaran’ny mpandraharaha manam-panirina no manao ny dingana. Misokatra ny fandraisana anjara!

wpChatIcon