Ny famatsiam-bola ho an’ny tetikasa madinika dia manolotra fanampiana ara-bola ho an’ny hevi-baovao tarihin’ny fikambanana tsy itadiavam-bola eo amin’ny sehatry ny angovo azo avaozina mipariaka . Ny famatsiam-bola dia afaka hanampy amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa madinika sy hitondra anjara biriky amin’ny fampiharana ny hevitra momba ny tetikasa misy ao Afrika atsimon’i Sahara, izay mitondra amin’ny fampiroboroboana maharitra.
Mikaroka vahaolana azo tsapain-tanana miorina amin’ny filàna efa fantatra eo an-toerana ny famatsiam-bola. Ny vokatra andrasana sy ny fahombiazana azo antoka avy amin’ireo vahaolana natolotra mba hiatrehana ireo fanamby ara-tsosialy, ara-javaboahary sy/na ara-toe-karena ao amin’ny sehatry ny angovo dia hohadihadian’ny komity mpanombana. Hisy fiheverana manokana momba ny faharetana, izany hoe ny tombony karohina ao amin’ny tetiandron’ny tetikasa dia hitohy aorian’ny fametrahana izany. Ny lohahevitra hafa omen-danja dia ny fanofanana, ny fampiasana ny angovo ho an’ny famokarana, ny fampidirana angovo ho an’ireo fotodrafitr’asa ara-tsosialy ary ny fiaraha-miombon’antoka.
Omen’ny famatsiam-bola tombony ireo vahaolana mifototra amin’ny famatsiana angovo mipariaka avy amin’ireo firenena sivy kendren’ny dingana : Etiopia , Bénin, Ghana, Côte d’Ivoire, Mozambika, Namibia, Sénégal, Ouganda ary Zambia.
Ankoatr’ireo firenena nokendrena , afaka hisitraka ny famatsiam-bola ihany koa ireo tetikasa avy amin’ny firenena atsimon’i Sahara izay misy biraon’ny GIZ sy ny fandraharan’asa momba ny angovo eo anivon’ny GIZ . Ireto avy izany : Afrika Atsimo , Kenya, Liberia, Madagasikara, Malawi, Mali, Nizeria, Rwanda, Sierra Leone ary Togo.
Ny dingana arahina- ahoana ny fanaovana fangatahana
Voalamina ho dingana roa ny dingana arahina raha hanao fangatahana :
Raha vao vita sonia ny fifanarahana, dia afaka manomboka mametraka ny tetikasany ireo mpangataka. Hisy tombana atao amin’ny faran’ny tetikasa.
Hivory ny komity mpitantana amin’ireto andro manaraka ireto Le comité directeur se réunira aux dates suivantes:
Ho afaka hodinihin’ny komity mpitantana ny tetikasanao raha toa ka voapetraka farafahakeliny herinandro efatra alohan’ireo daty ireo .