Karakarain’ny Vondrona Eoropeana miaraka amin’ny Repoblikan’i Seychelles, ny Blue Invest Africa dia hahafahan’ny start-ups sy ny PME (orinsasa madinika sy salasalany ) misehatra amin’ny toe-karena manga haneho ny fahaiza-manaony sy ny tetikasa vaovaony amin’ireo mpampiasa vola, amin’ny alalan’ny fotoana anaovana fanehoana ny fampiasam-bola : ny fiantsoana ireo haneho fampiasam-bola dia misokatra hatramin’ny 19 desambra 2021 ary hita ao amin’ny https://blueinvest-africa-2022.b2match.io/
Mpandraharaha afrikanina 14 /orinasa madinika tsy ara-dalàna dia afaka ihany koa mandray anjara amin’io hetsika io. Tsy afaka haneho ny heviny izy kanefa hanana fahafahana hampiseho ny vokatra sy ireo hevitra vaovao amin’ny alalan’ny fampisehoana mivelatra mahakasika izany. Araka izany , afaka hihaona amin’ireo mpampiasa vola izy ireo ary ho tafiditra ao amin’ny tambazotra BlueInvest.
Tsy voatery hisoratra anarana ao amin’ny fiantsoana mpaneho famatsiam-bola na pitchers izy ireo.
Ny Blue Invest Africa dia hanolotra ihany koa ho an’ny mpandraharaha ny fahafahana hanao tombana momba ny tontolon’ny fandraharahana sy ny toetry ny fampiasam-bola eto Afrika. Manome fidirana mivantana ho an’ireo firenena afrikanina izay efa nanomboka ny diariny momba ny fandraharahana manga. Vokatr’io hetsika io, afaka hihaona amin’ny pitchers ireo mpampiasa vola mba hahitana hirika ara-barotra itambarana sy mba hampiasana vola amin’ny tetikasa momba ny teo-karena manga miorina amin’ny fomba ahazoana fivelomana maharitra.
Farany, hanome fotoana hanaovana fanazarana sy hampiofanana ireo PME 44 ny BlueInvest Africa ary koa fidirana amin’ny tambazotra, fifandraisana mivantana amin’ireo banky fampandrosoana sy ireo rafitra mpampindram-bola. Hisy ihany koa ny fanaraha-maso momba ny fivoaran’ny fandraharahana sy ny fiaraha-miombon’antoka aorian’ny famelabelarana.
Raha te hahafantatra bebe kokoa : https://webgate.ec.europa.eu/maritimeforum/en/frontpage /1707