Ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria alemana-afrika, miaraka amin’ny Akademia misahana ny angovo azo avaozina (RENAC) AG, dia faly manasa hanatrika ny famelabelarana an-tserasera mikasika ny lohahevitra hoe : Famatsian-tena amin’ny angovo azo avaozina sy ireo tambazotra madinika eto Madagasikara
Ho hita anatin’io hetsika io ny famelabelarana sy ny fihaonana B2B izay mikendry indrindra ny hampiroborobo ny fifanakalozana sy ny hitrandraka ireo varavarana misokatra eo amin’ny sehatry ny matihanina eo anivon’ireo mpamatsy ara-teknolojia sy mpanome tolotra, ireo rafitra ara-panjakana, ireo orinasa sy ireo matihanina tera-tany malagasy sy alemana momba io sehatr’asa io.
Soraty ato amin’ity rohy manaraka ity ny anaranao : https://www.germanchamber-za.africa/madagascar-online-conference-8-june-2021/
Ireo fikambanana sy orinasa maniry hihaona amin’ny delegasiona alemana dia iangaviana hiantso ny iray amin’ireo olona 2 ao anatin’ny peta-drindrina .