FIFANINANANA MOMBA NY TETIKASA TANORA SY FANATANJAHAN-TENA
Ny sampandraharaha ho an’ny fiaraha-miasa sy ny asa ara-kolontsaina na Service de Coopération et d’action culturelle (SCAC) ao amin’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara ary ny Tranoben’ny Fanatanjahan-tena dia manolotra , ho an’ny taona fahatelo mifanesy , fifaninanana izay mikendry ny hampiroborobo ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena , ny fivelaran’ny sehatr’asa ara-toe-karena amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena sy ny fampiroboroboana ny fandraisana andraikitry ny tanora mpanao fanatanjahantena. Ny sehatra mahakasika ny fanatanjahantena sy ny asa atao eny anivon’ny zava-boahary, ny asa momba ny fanatanjahantena no lohalaharana ary mihevitra momba ny toe-java-misy amin’ny valan’aretina Covid 19.
Misokatra amin’ny tanora, na fikambanana, mpanao fanatanjahantena na miara-miasa amin’ny mpanao fanatanjahantena, 15 hatamin’ny 25 taona izay mitondra ny karazana tetikasa momba ny fananganana na fampiroboroboana mikendry ny sehatra ara-panatanjahantena ary miavaka amin’ny hatsarany sy ny fanavaozana entiny.
Hisy lelavola mitentina 25 000 euro hozaraina amin’ireo mpandresy miisa 30 eo ho eo 500 hatramin’ny 1000 euro no loka ho azo ho an’ireo mpandresy arakaraka ny antontan-taratasiny .
Hofantenana araka ny fahatsarany sy ny fahasahiany ny tetikasa, ny fanekena, ny fahaiza-manao ary ny faharisihan’ny mpandray anjara na ny ekipany ; ny fomba hanatanterahana ny tetikasa (ara-teknika , ara-toe-karena, ara-barotra) sy ny mety hahatanteraka azy; ny fiantraikany eo amin’ny firenena sy ny manodidina ny mpanao fanatanjahantena. Hahazo tombony kokoa ireo tetikasa izay mampifangaro ny fanatanjahantena amin’ny sehatra hafa (tontolo iainana, fahasalamana, fanabeazana, fifanampiana ara-tsosialy, ny nomerika …).
Handrafitra ny mpitsara ireo olona hofantenan’ny Masoivohon’ny Frantsa (SCAC) sy ny Tranoben’ny fanatanjahantena tsara.
Tetiandron’ny sehatr’asa
• Talata 04 may 2021 : fanokafana ny fifaninanana
• Talata 08 jona 2021 : famaranana ny fifaninanana
• Herinandron’ny 21 jona 2021 : famoahana ny valiny
• Jolay 2021 hatramin’ny 2022 : fanatanterahina ny tetikasa mpandresy
Ireto avy ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fisoratana anarana
– Taratasy maneho ny fahalianana
– Ny takelaka momba ny tetikasa voafeno araka ny tolokevitry ny mpandray anjara
– Kara-panondrom-pirenena na karatra any an-tsekoly na taratasy fanamarinana ny maha-ara-dalàna ny fikambanana
Fifandraisana : 03411 697 12
Mailaka : lamaisondusport@gmail.com
Alefa daholo ireo na apetraka ao amin’ny VF 115 Antsahabe Antananarivo na alefa “scan” amin’ny mailaka mail lamaisondusport@gmail.com