Pejy faneva

Fiantsoana tetikasa momba ny toetr’andro sy ny Angovo Madio: Fetra farany 29 Aogositra 2021

Mitady famatsiam-bola momba ny tetikasanao mikasika ny toetr’andro na ny angovo madio ve ianao sa te hampivoatra ny asa ataonao ankehitriny?Ny tambazotran’ireo matihanina amin’ny torohevitra ao amin’ny  PFAN dia afaka manampy anao hahazo izany. Ny tetikasa PFAN voafantina  dia mandalo fanazarana tsirairay mba hahalafatra ny rafitra fandraharahana, ny rafitra ara-bola ary ny fanehoana ny fampiasam-bola. Rehefa vonona ny mpandraharaha,  mety ho voaasa haneho mandritra ny hetsika ataon’ny  PFAN sy ny mpiara-miombon’antoka aminy , na koa hahazo tolotra mifanandrify amin’ny  asany  hanamorana ny fandraharahana.

Ekenay ny fandraisana anjara ho an’ny tetikasa na fampivelarana ny fandraharahana  avy amin’ireo firenena manana loharanom-bola ambany na salasalany any amin’ny faritra atsimon’i Afrika, Azia atsimo, Asia atsimo atsinanana, Nosy any Pasifika, Eoropa atsinanana sy Azia afovoany, Amerika afovoany  ary Nosy Caribbean .

Raha te ho fidiana amin’ny fanampiana ao amin’ny PFAN , tsy maintsy  manolotra tombotsoa ho an’ny fizarana amin’nyfiovan’ny toetr’andro ny tetikasanao, na manome na mampiasa teknolojia , vokatra na tolotra momba ny angovo madio. Tsidiho ny pejinay misy ny  Fepetra fifantenana  mba hahitanao bebe kokoa momba ireo firenena , teknolojia ary sehatr’asa afaka mirotsaka amin’izany  fifantenana izany .

Raha mifandraika amin’ny fepetran’ny  PFAN ny tetikasanao, afaka alefanao ny fisoratanao anarana ao amin’ny PFAN hatramin’ny  29 Aogositra 2021 mba ho ampidirina amin’ny fifantenana manaraka. Ny tetikasa sy orinasa voafantina dia hahazo fidirana maimaim-poana amin’ny torohevitra momba ny fandraharahana sy tolotra fampihaonana ny mpandraharaha.

Raha vononna hisoratra anarana ianao, afaka  alefanao eto ny tolo-kevitrao here.

Raha mila fanampim-potoana ianao amin’ny tolo-kevitrao, fantaro fa afaka mandray tsy tapaka ny fisoratanao anarana ny PFAN ao anatin’ny taona. Ny fisoratana anarana voaray aorian’ny fetra farany  29 Aogositra dia hodinihina  ao aoriana ny taona  2021.

Amporisihin’ny  PFAN manokana ny  fandraisana anjaran’ny orinasa tantanam-behivavy .

wpChatIcon