Pejy faneva

Fifaninana “Best Small Business: Good Food for All”

Manomana fifaninana  “Best Small Business: Good Food for All” ny Fivoriamben’ny Rafitra ara-tsakafo ao amin’ny Firenena Mikambana ! Inty no fotoana hahafahanao mampitolagaga izao tontolo izao! Hampiseho ireo orinasa madinika sy salasalany misehatra amin’ny sakafo ka mampientana ( orinasa rehetra manana mpiasa 2-250)izay mitondra vokatra miabo eo amin’ny manodidina azy, eo amin’ny fireneny ary maneran-tany. Mpandresy 50 no hahazo fankasitrahana avy amin’ny Firenena Mikambana ho  “Best Small Business: Good Food for All”, hizara lelavola  100,000 DOLARA , ary hasongadina manokana amin’ny Fivoriana mialoha ny Fivoriambe  atao ny volana jolay. Ny fandraisana anjara tsirairay dia hampahafantatra ireo mpitondra eran-tany ihany koa mikasika ny fandraharahana tahaka ny anao izay mila fampiroboroboana.Na tsy te handray anjara amin’ny fifaninana aza ianao , afaka maneho ny hevitrao amin’ny alalan’ny famenoana ny Dingana 1 ao amin’ny fisoratana anarana. Amporisihina ianao hisoratra anarana mialohan’ny 4 Jona ,daty farany.

Ity ny rohy raha handray anjara: https://bit.ly/3dWMP03

wpChatIcon