Pejy faneva

Agence Française de Développement – FANAMBY MOMBA NY ANGOVO NOMERIKA – FIANTSOANA TETIKASA ISAN-TAONA

FIANTSOANA TETIKASA HO AN’NY ANGOVO NOMERIKA – FAMPAHAFANTARANA  AMIN’NY ALALAN’NY TAMBAZOTRA 

Tianao ve ny hanafaingana ny fametrahana ny tetikasa nomerika vaovao anananao ao amin’ny sehatry ny angovo eo anivon’ny Afrika atsimon’i Sahara?  Tafiditra amin’ny tetikasa mifandray amin’ny fiovana momba ny angovo ao amin’io faritra io ve ianao?  Mandraisa anjara amin’ny  Digital Energy Challenge  andiany 2021 ary misorata anarana amin’ny iray amin’ireo fampahafantarana mivantana amin’ny tambazotra  amin’ny  28 aprily 2021 !
Misokatra hatramin’ny 30 jona 2021 ny fiantsoana tetikasa 2021 ary atolotra ireo tetikasa any amin’ny faritry ny Afrika Atsimon’i Sahara ary  tarihin’ny :
  • Start-up eo amin’ny dingan’ny mialohan’ny fanombohana na ireo zaza vao eo amin’ny fanombohan’ny asany . Afaka mandray anjara ny ONG tafiditra ao amin’ny sokajy start-up fa arahina  fepetra .
  • Mpandaharaha misehatra amin’ny angovo ho an’ny daholobe  (ao anatin’izany ny  ISO/mpitantana tambazotra tsy miankina , ny power pools, ireo fikambanana any amin’ny faritra, ireo mpandrindra ny angovo, ireo manam-pahefana momba ny fizarana herinaratra any ambanivohitra  sy ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fiarovana ny  loharanon-karena avy amin’ny diky )  miaraka amin’ireo  mpamatsy ara-teknolojia sy/na tolotra vaovao.

Ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny tambazotra dia manolotra ho an’ireo mpifaninana fototra sy ireo  mpandray anjara hafa liana ny fahafahana  hahalala kokoa  momba ny sehatra sy ny lohahevitra tamin’ny andiany 2021, hiantoka ny fifehezana ny dingana fandraisana anjara, ary koa hametraka ny fanontaniana rehetra amin’ireo mpikarakara.

Ho an’ny fanazavana fanampiny , rohy afaka tsidihina:

Ireo fampahafantarana an-tambazotra tamin’ny  28/04/2021
Fanamby momba ny angovo nomerika ho an’ny start-up
Fanamby ho an’ny angovo nomerika ho an’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny angovo
wpChatIcon