MBOLA MISOKATRA NY FIANTSOANA TOLO-KEVITRA FAHA 19 AO AMIN’NY CFC
Mandray tolo-kevitra mahakasika ny tetikasa momba ny PME, ny orinasa, ny koperativa, ny rafitra misehatra amin’ny rojon-tsandan’ny vokatra ilaina amin’ny andavanandro ,ireo rafitra ara-panjakana any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana ary amin’ny fitadiavana vola fototra hiaingana na famatsiam-bola ho fanavaozana ny rojon-tsanda na hahitana vokatra isan-karazany.
Mila miezaka mba hitondra vokatra miabo eo amin’ny ara-tsosialy sy ara-toekarena ary ara-tontolo iainana ary tokony ho azo antoka ara-bola. Amporisihina manokana handray anjara ireo mpandraharaha andriambavilanitra sy ireo tolo-kevitra manome vahaolana vaovao ho an’ny sehatry ny akora fototra. Misokatra hatramin’ny 15 oktobra 2021 ny fisoratana anarana !
Fanampim-panazavana sy torohevitra amin’ny fisoratana anarana : https://common-fund.org/call-for-proposal